Etamazaoron'ireo Tafika

Notontosaina ny alatsinainy 21 jona 2021 lasa teo tetsy amin'ny Toby Kolonely Alphonse RAKOTONIRAINY 1er RTS Fiadanana, ny fifamindram-pibaikoana teo amin'ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo tafika vaovao, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin sy ny teo aloha, ny Jeneraly RABENAIVOARIVELO Jean Claude. Nanome voninahitra ny lanona ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, NTSAY Christian sy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena notronin'ireo olomanan-kaja maro eto amin'ny Firenena ka isan'ireny ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka. Nanamarihana ny fotoana ny fanolorana faneva ho marik’izany fifamindram-pibaikoana izany sy ny matso nandraisan’ireo vondron-tafika misy eto amin’ny Tafika Malagasy.
Marihina fa ny 17 jona 2021, nandritra ny filan-kevitry ny minisitra manokana no nanendrena ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin ho Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika (Chef d'Etat-Major des Armées) ary ny ampitson'io ihany dia efa tontosa teny Andohalo ny fifamindran-draharaha (passation de travail) teo aminy sy ny CEMA teo aloha ny Jeneraly RABENAIVOARIVELO Jean Claude izay nandeha nisotro ronono.

21/06/21