Nihaona tamin'ireo ben'ny tanàna rehetra avy any amin'ny distrikan'Ankazobe androany 22 jona 2021, tetsy Ambohidahy, ny Governoran'Analamanga. Nodinihina nandritra ny fivoriana ny endri-piaraha-miasa iarahana amin'ireo ben'ny tanàna ireo amin'ny fampandrosoana miala avy eny ifotony toy ny fanamboaran-dalana mampifandray ny kaominina samihafa ahafahan'ny mponina mifamezivezy sy mamoaka ny vokatra. Teo ihany koa ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny sehatra hafa.