Hamehana ara-pahasalamana mandritra ny 15 andro

Mitohy ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny Nosy.
✅Mikatona avokoa ireo CTC-19 rehetra manerana ny Nosy afatsy ny CTC-19 Village Voara
✅Afindra eny amin'ny Village Voara ny Plateforme Nationale de Gestion Médicale PNGM sy ny COVDATA
✅Voarara ny famoriana olona mihoatra ny 400 amin'ireto distrika manaraka ireto : Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Ambohidratrimo, Ambatondrazaka  ary Fianarantsoa I.
✅Ny fitondrana razana voamarina fa matin'ny Covid-19 dia mbola tsy azo atao na ny miditra na ny mivoaka ny faritra rehetra manerana ny Nosy.
Tanterahina ny andro nahafatesan'ilay olona voan'ny Covid-19 ihany ny fandevenana azy ary tsy mihoatra ny olona 10 no mandevina.
✅Couvre feu : manomboka amin'ny 12 ora alina hatramin'ny 4 ora maraina ho an'Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Ambohidratrimo, Ambatondrazaka  ary Fianarantsoa I.
✅Mbola mikatona ny toeram-pandihizana (boîte de nuit) amin'ireto toerana ireto : Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Ambohidratrimo, Ambatondrazaka  ary Fianarantsoa I
✅Azo atao ny mikarakara lanonana an-kalamanjana manerana ny Nosy amin'ireo distrika hafa tsy voatonona teo aloha mba hitsinjovana ireo mpanakanto.
Tsy maintsy manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana anefa ny fanatanterahana izany.
✅Mbola tsy misokatra ny sidina avy any ivelany afa-tsy ireo sokajin'olona izay efa voafaritry ny Filankevitry ny Minisitra.
✅Eo ampandinihana ny fivoaran'ny valan'aretina any ivelany sy eto amintsika ny fitondram-panjakana ka ny 15 andro manaraka no hamaritra ny fanapahan-kevitra horaisina amin'ny fotoana ahafahana manokatra indray ny sisin-tany.
✅Mitohy hatrany ny fisokafan'ny sidina anatiny iantsorohan'ny Tsaradia, tsy maintsy manao test anti-génique eny Ivato ora 3 alohan'ny fiaingana ny mpandeha rehetra, na amin'ny fahatongavana eny Ivato ho an'ny sidina avy any amin'ny faritra.
✅Ireo Governora isaky ny faritra no mandrindra ny fandraisana ireo fepetra hafa mifanaraka amin'ny toe-java-misy any an-toerana nefa tsy maintsy hifandinihana amin'ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ny fampiharana izany.

Didim-panjakana laharana 2021-685, manambara ny fanitarana ny fe-potoanan'ny hamehana ara-pahaslamana manerana ny tanin'ny Repoblika

 

27/06/21