Kaominina Marondry sy Antotohazo Ankazobe

Nidina ifotony taty amin'ny kaominina Marondry sy Antotoazo, Distrikan'Ankazobe  ny Governoran'ny Faritra Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy nijery ny asa fampandrosoana tokony hatao aty an-toerana. 
Ny lalana no hita fa tena sakana sy olana voalohany amin'ny fampandrosoana satria ratsy tanteraka izany. Io no hojeren'ny Faritra manokana ny hevitra hikarakarana sy hanamboarana azy miaraka amin'ireo olomboafidy aty an-toerana, izay lalana mirefy eo amin'ny 31km eo ho eo.
Notsidihina ihany koa ny  EPP Soanierana izay misedra fahasahiranana eo amin'ny efitrano fianarana. Nanome toky ny Governora fa hijery manokana ireo efitrano fianarana ireo amin'ny fanomezana tafo fanitso sy ny simenitra hanaovana ny dallage ary ny dabilio izay tsy ampy. Hojerena manokana ihany koa ny mikasika ilay  pampianatra FRAM tokana ao an-toerana.
Nisy ihany koa ny fitsidihana ny riandrano eny Andriamamovoka ao amin'ny fokontanin'Antanetilava. Riandrano izay ahafahana mamokatra herinaratra ho an'ny distrikan'Ankazobe sy ny manodidina.
Namaranana ny dia ny fitsidihana ny RANOMAFANA (dobon'Andriana) izay toeram-pitsangatsanganana sy toeram-pitsaboana ao amin'ny Fokontany Tsarahonenana.
Toerana tokony hotrandrahana sy hampiroborobona ny fizahan-tany ato anatin'ny Faritra Analamanga izy ity satria toerana efa misy sy nisy saingy tsy voakarakaran'ny tompony ka hojerena manokana izay azo hifanampiana mba hampisy ny fampandrosoana ato anatin'ny faritra, izay miainga avy eny ifotony.
Niaraka nanatanteraka izao fitsidihana izao tamin'ny Governora sy ny ireo mpiara-miasa aminy ireo tompon'andraiki-panjakana isan-tsokajiny aty an-toerana.
 

04/02/21