Natolotra ny alarobia 07 jolay 2021 lasa teo teny Tanjombato ireo kamiao mpitaona fako 2 sy dadam-pako 5 avy miaraka aminy, avy amin'ny Filoha Andry RAJOELINA.
Ny kaominina Tanjombato sy Andoharanofotsy no nisitraka izany ka nandray ireo fitaovana ireo ny Ben'ny tanana roa tonta sy ny solombavam-bahoaka izay nampita ny fangatahana tany amin'ny mpanantanteraka dia ny Filoha izany.
Nantitranterin'ny Governoran'Analamanga hatrany ny fisaorana ny Filoha Andry Rajoelina amin'ny fitsinjovana ny kaominina tahaka izao.