Nihaona tetsy amin'ny efitrano fivorian'ny Faritra Analamanga tetsy Ambohidahy, ny alakamisy 08 Jolay 2021, ireo Governoram-paritra rehetra eto Madagasikara. Natao izao fivoriana izao mba hifanakalozana traikefa sy fahaiza-mitantana amin'ny fampandrosoana isam-paritra. Nanatrika izao fihaonana izao ny Minisitra mpiahy dia ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana. |