Analamanga Park

Mandritra ny fetin'ny Paska 2021 ho avy izao no hotokanana amin'ny fomba ofisialy ny 
asa fanavaozana ny toeram-pialamboly sy fialantsasatra Analamanga Park.
Isan'ny fanamby napetraky ny Governora Hery Rasoamaromaka ny hanarenana indray ity toerana malaza ity raha vao nandray ny fitantanana ny Faritra Analamanga izy, ka nitsidika teny an-toerana.
Hisokatra indray araka izany Analamanga Park izay ahitana trano "bungalows" natokana ho an'olon-tokana sy ho an'ny fianakaviana, dobo filomanosana
kianja filalaovana sy fanaovana fanatanjahantena, efritrano fivoriana, tsena fivarotana sy fampirantiana asatanana, fisakafoana sy ny sisa.
35km miala ny renivohitra no misy an'Analamanga Park, raha mianatsimo manaraka ny lalampirenena faha-7, ao amin'ny kaominina Ambalavao, distrikan'Antananarivo Atsimondrano. Izy rahateo no vavahady idirana ny Faritra Analamanga avy ao atsimo satria eo Ampangabe, misy an'Analamanga Park no manasaraka ny Faritra Analamanga amin'ny faritra Vakinankaratra raha manaraka ny RN7.
Ny alahady 7 febroary lasa teo dia nidina teny an-toerana ny Governoran'Analamanga sy ny mpiara-miasa aminy akaiky niaraka tamin'ireo mpikarakara lanonana, nandinika
sahady ny fomba hanatanterahana ny fitokanana manetriketrika ny fanavaozana ity toerana malaza ity.

07/02/21