Notanterahina ny Alarobia 07 jolay 2021 ny fihaonana sy ny fiaraha-midinika teo amin'ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka sy ireo Ben'ny Tanàna rehetra tsy anavahana firehana politika miaraka amin'ireo olomboatendry maro mitana andraikitra ao amin'ny Distrikan' Atsimondrano. Maro ireo fangatahan'ny ben'ny tanàna no azo tanterahina sy ifanampiana izay tafiditra rahateo amin'ny anjara andraikitry ny Faritra ka toky no nomen'ny Governoran' Analamanga fa hatao sy hovitaina izy ireny. Miainga avy eny ifotony ny fampandrosoana. Manatanteraka izany ny Faritra Analamanga araka izay efa voafaritra ao amin'ny veliranon'ny Filoha Andry Rajoelina rahateo. Niara-nidinika ny fampandrosoana isaky ny kaominina noho izany ny Governoran'Analamanga sy ny ben'ny tanàna ao amin'ny distrikan'Atsimondrano, niaraka tamin'ny Solombavambahoaka sy ny Lehiben'ny distrika. Nofakafakaina teto Tanjombato ireo olana sy ny hetahetan'ny kaominina isanisany. Maro ny heverin'ireo ben'ny tanàna ho laharampahamehana mifanandrify amin'ny kaominina misy azy tsirairay. Raha fintinina dia mifantoka amin'ireto ny hetahetan'ireo ben'ny tanàna: - Ny fanamboarana ireo lalana mampifandray ny kaominina samihafa, - Ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka mifantoka amin'ny fananganana na fanatsarana ny sekoly (lycée, CEG, EPP, CSB sy ny biraom-panjakana ilain'ny mponina andavanandro), - Ny fotodrafitrasa momba ny fambolena (PPI), - Ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena.
Kaominina 26 no mandrafitra ny Distrikan'Antananarivo Atsimondrano ary misy Fokontany 206. |
|