Hamehana ara-pahasalamana mandritra ny 15 andro

FAMINTINANA NY TAFA NATAON'NY PRAIMINISITRA TAO AMIN'NY TVM NY ALAHADY 11 JOLAY 2021 MOMBA NY HAMEHANA ATO ANATIN'NY 15 ANDRO MANARAKA.
-Mihena eo amin'ny 26 % ny tranga vaovao izay hita.
Ny isan'ny lavo anefa tsy mihena ary mitombo ny cas grave ka mila mailo hatrany isika.
🔴VAKISINY:
Miandrandra ny hiavian'ny dose faharoa isika izao any amin'ny voalohandohan'ny volana Aogosotra.
Hanafatra vakisiny hafa ihany koa isika toa ny Johnson&Johnson izay fiaraha-miasa amin'ny Amerikanina 
🔴FIZAHAN-TANY:
Ahantona aloha ny fandraisana ny hetra izay notapahana tao amin'ny filankevitry ny Minisitra. 104 ny Firenena ahitana variant Delta ary tena mahery vaika izy io ka mila mitandrina mafy isika. Hojerena ny fampiroboroboana momba ny fizahantany anatiny.
🛑FEPETRA 
-Mbola mitohy ny hamehana ara-pahasalamana, mila manaja fepetra hatrany isika rehetra. Tsy maintsy manao arovava-orona ary ho henjana ny fanasaziana ho an'izay tsy manaraka izany.
-Mbola misokatra ny CTC village Voara. 
-Voarara ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 400 amin'ireto toerana ireto : distrikan'Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo, Fianarantsoa-I, Antsirabe-I.
-Ny fitondrana Razana voamarina fa matin'ny covid-19 dia tsy mbola azo atao na mivoaka na miditra ny faritra rehetra eto amin'ny Nosy, koa ny fandevenana ho an'ireo izay lavon'ny covid-19 dia tanterahina ny andron'iny ihany ary tsy mihoatra ny olona 10 no mandeha mandevina.
-Mbola tsy azo atao ny famadihana eto Madagasikara.
-Mbola mihatra ny couvre-feu manomboka amin'ny misasakalina ary mifarana amin'ny 04 ora maraina amin'ny distrika an'Antananarivo renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo, Fianaratsoa-I, Antsirabe-I.
-Mbola mikatona ny toeram-pandihizana "boîte de nuit" amin'ireto distrika ireto : Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo, Fianaratsoa-I,  Antsirabe-I.
-Ho fitsinjovana ny mpanakanto dia azo atao ny mikarakara lanonana ankalamanjana afatsy amin'ireto distrika ireto : Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Fianaratsoa-I, Antsirabe-I .Tsara anefa ny manantitra fa tsy maintsy hajaina ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra.
-Tsy misokatra ny sidina fitaterana olona avy any ivelany afatsy ho an'ireo sokajin'olona izay efa voafaritry ny filan-kevitry ny Minisitra. 
-Mitohy ny fisokafan'ny sidina anatiny izay iantsorohan'ny Tsaradia,  tsy maintsy manao fitiliana ora 3 alohan'ny fiaingana ny mpandeha rehetra na amin'ny fahatongavana eny Ivato ho an'ny sidina avy any amin'ny faritra.
-Ireo Governora isam-paritra no mandrindra ny fandraisana ireo fepetra hafa mifanaraka amin'ny toe-java-misy any an-toerana kanefa tsy maintsy ifandinihana mialoha amin'ny minisiteran'ny Atitany  sy ny  Fitsinjaram-pahefana izany.

12/07/21