Notontosaina ny Zoma 9 Jolay 2021 teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fivoriana niarahan'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy ireo Governoram-paritra miisa 21.
Noresahana nandritra izany ny tombana sy jery todika tamin'ireo asa fampandrosoana napetraka manerana ny faritra rehetra sy ireo tokony mbola hatsaraina hahatrarana ireo fanamby napetraka ao anaty fohy ezaka sy lavitra ezaka.
"Ny tena anton'izao fihaonana izao dia ny hiarahana mijery ny fomba hanafainganana ny fanatanterahana ireo asa rehetra manerana ireo faritra izay iarahan'ireo Governora sy ireo vondrom-bahoaka eny ifotony manatanteraka" hoy ny filoha Andry RAJOELINA. Nohamafisin'ny Filoham-pirenena ihany koa ny hametrahana ny faritra faha-23 izay nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra sy efa nolanian'ireo Antenimiera roa tonta. Nandritra ity
|
fivoriana ity ihany koa no nanaovan'ny Governora isanisany ny tatitr'ireo asa vita sy ireo mbola mila hatao ary ireo soso-kevitra entina hanatsarana ny asa eny anivon'ireo faritra hiadidiany tsirairay avy. Nohamafisin'izy ireo ny fahavononana amin'ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana rehetra mifanaraka amin'ny vina efa napetraky ny Filoha Andry Rajoelina.
Ho fampiharana ny politikan'ny fitsinjaram-pahefana apetraky ny fitondram-panjakana dia noresahana nandritra ity fihaonana ity ihany koa ny fomba hanatsarana ny fiaraha-miasa amin'ireo mpisehatra rehetra any ifotony, na olom-boatendry na olom-boafidy, mba hampahomby ny fanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana. Ny fampandrosoana an'i Madagasikara dia miainga avy amin'ny fampandrosoana ny faritra tsirairay avy, ary tsy hisy intsony ny distrika ho adino.
|