Fetim-pirenena Frantsay

Ny 14 Jolay no mankalaza ny fetim-pirenenany ny Frantsay. Nisy ny fanasana nataon'ny Masoivon'ny Firenena Frantsay miasa sy monina eto amin-tsika ho fankalazana io andro io ka namaly izany fanasana izany ny Governoran'Analamanga niaraka tamin'ireo olomanan-kaja eto amin'ny Firenena toy ny Lehibean'ny Andrimpanjakana maro sy Minisitra.
Nandritra ny fandraisam-pitenenan'ny Masoivo Frantsay, SEM Christophe Bouchard, dia nambarany fa eo am-pandinihana sy firesahana ny "Iles Eparses" ny firenena Frantsay sy ny Firenena Malagasy ankehitriny.
Hentitra sy nahitsy kosa ny Minisitra Malagasy misahana ny Raharaham-bahiny, Dr Tehindrazanarivelo Djacoba raha nanambara fa io resaka "Iles Eparses" io no mbola mamparisarisa sy tsy maha manga tanteraka ny fifandraisana eo amin'ny Firenena roa tonta ka mila jerena haingana.
Ny Governoran'Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra dia maneho ny  fiarahabana ny Firenena sy ny vahoaka Frantsay rehetra noho ny fahatratrarany ny fetim-pireneny.

14/07/21