Mahatanty demokrasia ny fitondram-panjakana ary mihaino hatrany ny fanakianana ataon'ny mpanohitra. Tsy azo ekena kosa ny endrika fanakorontanana rehetra inian'ny mpanao politika sasany atao amin'izao fotoana izao, ary tsy maintsy miaro ny safidim-bahoaka ny fitondram-panjakana hoy ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka raha nitafa tamin'ny mpanao gazety tetsy Ambohidahy ny alatsinainy 8 febroary 2021, manoloana ny fiantsiana ataon'ny mpanohitra tato ho ato.