FANASONIAVANA FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA SY FAMATSIAM-BOLA.
Vita sonia teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny alarobia 21 jolay 2021 ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Fitondrana Malagasy izay nahazoantsiaka famatsiam-bola ho fanatanterahana tetikasa goavana miisa efatra.
Mitentina 490 tapitrisa dolara izany famatsiam-bola izany, izay tafiditra ao anatin’ny teti-bola mitentina 1,1 miliara dolara natokan’ny Banky Iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara amin’ity taona 2021 ity, izay voafaritra ao anatin’ny IDA19.
Nampatsiahivin’ny Filoha Andry Rajoelina fa raha nihaona tamin’ny Tale Jeneralin’ny Banky Iraisam-pirenena ny tenany, nandritra ny fihaonambe tao Abidjan farany teo, dia niombon-kevitra ny roa tonta fa ny firenena tsirairay no tsy maintsy mamaritra ny laharam-pahamehany sy mandroso ny paikadim-pampandrosoana entiny.
Etsy ankilany kosa, ireo mpamatsy vola dia mandroso soso-kevitra amin’ireo firenena ireo sy mampifanaraka ny famatsiam-bola entin’izy ireo hanatanterahana ny paikady napetraka.
Mizara efatra mazava tsara araka izany ny fifanaraham-piaraha-miasa sy famatsiam-bola notanterahina : fanomezana 100 tapitrisa dolara, izay hanohana ny hetsiky ny Fanjakana Malagasy hiarovana ny vahoaka amin'ny Covid-19 sy hanamafisana ny rafitry ny fahasalamam-bahoaka. Famatsiam-bola fanampiny mitentina 40 tapitrisa dolara ho an'ny fambolena sy fiompiana izay hanampy amin'ny fampitomboana ny fisitrahana ireo teknika fanondrahana tanim-boly sy ireo teknikam-pambolena maharitra. 150 tapitrisa dolara ho famatsiana ny tetikasa PIC3 hampiroboroboana ireo orinasa madinika sy salantsalany ary 200 tapitrisa dolara entina hanajariana lalana mirefy hatramin’ny 1200km manerana an’i Madagasikara.
Isan'ireo nanotrona ny fotoana teny Iavoloha ny Governoran'Analamanga sy ireo governora avy any amin'ny Faritra.