Governora Hery Rasoamaromaka

Nihaona tamin'ny mpanao gazety ny Alatsinainy 26 Jolay 2021 tetsy Ambohidahy ny Governora Hery Rasoamaromaka ka tamin'izany no namelabelarany ny heviny mikasika ireo raharaha mafana eto amin'ny Firenena.
Teboka maromaro no noresahana tamin'izany ka isan'izany ny :

    FIFOFONA NY AIN'NY FILOHA ANDRY RAJOELINA.
Manameloka tanteraka ary tsy manaiky ny fifofoana ny ain'ny Filoham-pirenena sy ireo olona ambony ato amin'ny Firenena ny tenany.
Tsy azo ekena ary melohina tanteraka izany hoy izy satria fanozongozonana ny fiandrianam-pirenena ary ho loza goavana ho an'ny Firenena izay vao miarina avy ao anaty fahantrana lalina raha SANATRIA tanteraka


    FANAMPIANA 1 MILLIARD 100 DE $.
Raha tsiahivina dia 100 millions de $ no vola nampiasaina tamin'ny tetezamita nefa marobe ireo fotodrafitrasa MANARAPENITRA voatsangana ary nizotra an-tsakany sy an-davany ny raharaham-pirenena.
Ankehitriny anefa dia 1 milliard 100 de $ no nomen'ny Banky iraisam-pirenena izay midika voalohany indrindra fa atokisan'ny mpiara-miombon'antoka izao Fitondrana izao.
Mino sy manantena isika fa hahavita be lavitra noho ny tamin'ny tetezamita ity Fitondrana ity, hoy hatrany ny Governoran'Analamanga satria fantatry ny Filoha Andry RAJOELINA izay mety sy hahasoa antsika sy ny Firenena Malagasy.


    HETSIKY NY MPANOHITRA RMDM.

Nanao fanambarana ary nitaky ny fialan'ny Filoha ankehitriny ny Filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA ary mangataka ny hananganana Repoblika faha5. Hentitra ny Governora nanambara fa :
"Fomba fiteniko matetika ny hoe rehefa eo amin'ny Fitondrana dia ataovy izay asa rehetra TOKONY hatao fa sarotra, mba tsy hitenenako hoe tsy ho tafaverina eo intsony, vao miala eo.
Filoha lany tamin'ny fomba demokratika ny Filoha Andry RAJOELINA ka ny miandry ny fifidianana manaraka no azon'ireo mpitondra teo aloha atao ka mandroso politika tsara kokoa ho an'ny vahoaka RAHA MANANA ka ny vahoaka Malagasy no tompon-tsafidy avy eo.
Ny mampikoropaka ireo mpanohitra mantsy dia mazava fa raha miasa an-kalalahana ny Fitondrana an-kehitriny dia tsy manambitana ny ho tonga eo amin'ny Fitondrana izy ireo, hany ka ny manakorontana sisa fara-herin'izy ireo".

 

 

 

 

26/07/21