FIERMADA 2021

       Nosokafana androany 4 Aogositra 2021 ary haharitra mandritra ny 5 andro etsy amin'ny Kianja MAKI Andohatapenaka ny FIER MADA andiany faha 22.
  Nomarihin'ny Governoran' Analamanga nandritra ny fandraisany fitenenana fa izao hetsika izao dia tafiditra amin'ny VELIRANO faha 9n'ny Filoha Andry RAJOELINA dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary efa tanterahin'ny Faritra Analamanga ankehitriny. Ny Faritra Analamanga dia tsy mikely soroka amin'ny fanatanterahana izany toy ny
 
efa namomezany angadinomby sy fitaovana hafa ho an'ny Kaominina maro. Teo ihany koa ny fanampiana ireo mpamboly tamin'ny fanomezana zezika sy masomboly. Tsy latsa-danja amin'izany ny fanampiana ireo mpiompy akoko sy trondro.
Mitohy hatrany ny fanampian'ny Faritra Analamanga ny mpiompy sy mpamboly amin'ny alalan'ny fanomezana fitaovana sy fanofanana mba hanatanterahana ny fahavitantena.ara-tsakafo sy ny fampandrosona ifotony.

  Ny sabotsy 07 aogositra dia niverina nitsidika ny FIERMADA 2021 tetsy Andohatapenaka indray ny Governora Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.
Tsy vitan'ny tamin'ny fanokafana ihany fa niverina tety izahay hoy ny Governora satria tena mahaliana sy mahasoa ary tsara ho tohanana akaiky ireto mpiompy sy mpamboly Malagasy ireto.
Ny Faritra Analamanga moa dia, nohamafisiny hatrany fa manao vaindohan-draharaha ny fampiroboroboana ny fambolena sy fiompiana satria io no anisan'ny fanohitra lehibe amin'ny fampandrosoana ny Faritra sy ny Firenena araka ny veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA.