Filoha Andry Rajoelina tao amin'ny TVM, 08 Aogositra 2021

FANDAHARANA MANOKANA NATAON'NY FILOHA ANDRY RAJOELINA, ALAHADY 08 AOGOSITRA 2021
🔴FIFOFONA NY AIN'NY FILOHA
Rehefa ny fiandrianam-pirenena  no voatohintohina voakitikitika dia tokony ho sarotiny sy miray hina ny Malagasy rehetra. Manameloka tanteraka ireny tranga ireny ny Filoha.Tsy mpanolotsaina diplomatikan'ny Filoha i Paul Rafanoharana ary tsy mbola nisy na ny entretien hoe hatao Praiminisitra izy. Tsy manana fidandraisana aminy koa ny Filoha.
Matoa misy ny mifofo ny ain'ny Filoha dia noho ny fiarovan'ny Filoha ny Tanindrazana. Misy mpanao politika ambony tafiditra amin'ity resaka "Apollo 21" hifofoana ny ain'ny Filoha ity..
🔴FANOLONA PRAIMINISITRA SY MINISITRA:
-Tsy manana eritreritra ny hanolo praiminisitra mihitsy aho hoy ny Filoha satria afa-po amin'ny asany.
-Tsy maintsy misy ny fanovana Minisitra ho an'ireo tsy mahatratra ny fenitra angatahina aminy sy tsy maharaka ny hafainganam-pandeha ka efa eo ampandinika an'izany izy sy ny Praiminisitra.
🔴TSIMORORO (MENAKA MAVESATRA)
-Misy ny vokatra ary efa nitrandraka fa ny faharatsian'ny lalana no olana. Hojerena manokana ny momba azy io.
🔴COVID 19:
-Isaorana Andriamanitra fa voafehintsika ny 2eme vague, na izany aza mila mitandrina sy tohizana ireo fihetsika sakana.
🔴VAKISINY:
-Antsitrapo fa tsy antery ny fanaovana vakisiny.
-Hanao ezaka manokana amin'ny fanaovana vakisiny amin'ireo toerana fandraisana vahiny toa an'i Ste Marie sy Nosy be hiomanana amin'ny fandraisana ireo mpizahatany..
🔴VENTE EN LIGNE
Afaka miasa malalaka hoy ny Filoha Andry Rajoelina. 
 
-Tsy maintsy hitondra vahaolana ny Fanjakana, tsy maintsy atao ny famoriana ireo mpanafatra entana, voriana ny mpamokatra entana eto antoerana, ireo grossistes rehetra sy ny eny amin'ny epiceries.
-Hanafatra entana vaovao ny Fanjakana rehefa tsy hanaraka ny vidinentana apetraky ny fanjakana ny mpanafatra entana ary ao anatin'ny fotoana fohy izany.
🔴RN2, RN6...
-Atao maika sy farany izay haingana io lalana RN2 sy RN6 io ary tsy maintsy manaraka ny fenitra.
Hidina any amin'ny RN2 tsy ho ela ny tenany hiaraka amin'ireo mpanao lalana rehetra eto Madagasikara.
🔴BANQUE MONDIALE:
-Niova ny fahatokisan'ny Banque mondiale antsika ka izany no nahazoantsika famatsiam-bola betsaka.
Isika no mametraka ireo tetikasa ilaintsika fanampiana fa tsy toy ny taloha hoe ny mpamatsy vola no manome programan'asa.
🔴SOSIALIM-BAHOAKA.
Rehefa ny tombontsoan'ny Malagasy no voakitikitika dia tsy ananako havana na namana ary tsy ananako hantra hoy ny Filoha Andry RAJOELINA. 
-Hovoriana ireo olona rehetra mpisehatra amin'ny fiainana andavan'andro, toy ny mpanafatra entana, ny mpamokatra entana : menaka, siramamy, Sns 
-Hovoriana ihany koa ireo mpambongady na ny grossistes, ny épiceries. 
Ny fisondrotry ny vidin'entana dia misy antony maromaro : Misy ny fanararaotana ataontsika samy malagasy, misy ny fiakaran'ny saram-pitaterana amin'ny fanafarana entana an-dranomasina. Ary rehefa tsy mety hampidina vidin'entana ireo rehetra ireo dia hanafatra entana amin'ny sambo isika ka haparitaka eto Madagasikara. Voateny mafy moa ireo minisitra tsy manao ny asany araka ny tokony ho izy sy ireo talem-paritra
 
✅FEPETRA MANDRITRA NY 15 ANDRO MANARAKA:
Mbola mitohy hatrany ny fepetra ara-pahasalamana
-Miverina tanteraka amin'ny fiainana andavan'andro isika ka tsy misy intsony ny couvre-feu
-Tsy maintsy hajaina hatrany anefa ireo fepetra ara-pahasalamana sy fihetsika sakana rehetra.
-Afaka manao fampisehoana an-kalamanjana ireo mpanakanto rehetra manerana ny Nosy
-Voarara ny famoriana olona mihoatra ny 400 anaty toerana mihidy.
-Mbola tsy misokatra ireo toeram-pandihizana na Boite de nuit satria mihiboka ny efitra.
-Mahakasika ny sisin-tany
👉Hisy ny vol de rapatriement hampodiana ireo teratany Malagasy izay tavela any ivelany manana fonenana eto Madagasikara.
👉Hiainga ao Paris ka higadona eto Antananarivo ny Alahady 22 sy 28 Aogositra ary ny Alahady 12 sy 19 Septambra 2021
👉Ho hentitra ny fepetra ka tsy maintsy manao fitiliana PCR sy ffhibohana avokoa ireo olona mandray io sidina io
👉Tsy maintsy mampiseho taratasy fanamarinana ny anton-diany tany ivelany ireo terantany Malagasy nivoaka tany ivelany ka maniry hody fa tsy ekena ireo.olona hanao vacances.
👉Olona manana passeport Malagasy ihany no afaka mandray io vol de rapatriement io ary tsy afaka mivoaka an'i Madagasikara intsony mandra-pisokatry ny sisin-tany
👉Misoratra anarana amin'ny Minisiteran'ny raharaham-bahiny na ireo masoivoho ireo Malagasy izay maniry hody an-tanindrazana.

Iavoloha

Miora Raharinaivo Abrahama Razafy