Fifamindram-pahefana Minisiteran'ny Asa Vaventy

FIFAMINDRAM-PAHEFANA TEO AMIN'NY MINISITRY NY ASA VAVENTY TEO ALOHA SY NY MINISITRA VAOVAO.
Nanotrona ny fifamindram-pahefana teo amin'ny minisitry ny Asa vaventy teo aloha, Hajo Andrianainarivelo sy ny Minisitra vaovao Jerry Hatrefindrazana ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka sy ireo Governora maromaro manerana ny Nosy.
Amin'ny maha Governora teo aloha ny Minisitry ny Asa Vaventy an-kehitriny dia rariny sy hitsiny raha hifanotrona taminy izahay hoy ny Governoran'Analamanga izay nitondra ny tenin'ireo governora namany ihany koa.
Tonga niara nanotrona teny an-toerana ihany koa ny Minisitra Tinoka Roberto sy ireo Solombavambahoaka maro manerana ny Nosy.
Mino sy manantena izahay Governora sy Député, hoy hatrany ny Governoran'Analamanga, fa hirindra tsara ny fiaraha-miasa amin'ny Minisitra vaovao satria efa avy solombavambahoaka sy Governora ny Minisitry ny Asa Vaventy ankehitriny.

Tontosa ny alakamisy 19 Aogositra 2021 tetsy Anosy ny fifamindram-pahefana teo amin'ny Minisitra teo aloha sy ny Minisitra vaovao.

19/08/21