Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana

FIARAHABANA SY FITSIDIHANA ARA-POMBA FIFANAJANA NY MINISITRY NY ATITANY SY FITSINJARAM-MPAHEFANA.

Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny Minisitry ny Atitany vaovao, Pierre Holder Ramaholimasy androany 19 aogositra 2021, ireo Governoram-paritra maromaro avy amin'ny lafivalon'ny Nosy.

Ny Filohan'ny Fikambanan'ny Governoram-paritra, Hery Rasoamaromaka, sady Governoran'Analamanga, no nitondra ny feon'ireo Governora rehetra tamin'ny teny fiarahabana an'Anandriamatoa Minisitra sy firariantsoa ho azy hahatotosa ny asa ankinin'ny Filoha Andry RAJOELINA aminy. Taorian'izany dia nisy avy hatrany ny dinika nifanaovana izay nifantoka tamin'ny fomba hiaraha-miasa hanatanterahana ireo Vina sy Velirano napetraky ny Filoha.

19/08/21