Antenimieran-doholona

Androany no notanterahana tetsy amin'ny Lapan'ny Antenimieran-doholona tetsy Anosy ny fametrahana Samboady ireo Loholona 18.
Ny samboady no midika fa tafapetraka ofisialy amin'ny toerany izy ireo ary afaka mandray sy manatanteraka ny asany amin'ny maha Loholona azy ireo.
Nanotrona azy ireo teny an-toerana ny Governoran'ny Faritra Analamanga.

29/01/21