EPP Soavinarivo Ambatolampy Tsimahafotsy

Notokanana ny Alakamisy 26 Aogositra 2021 ihany koa ireo efitrano manara-penitra miisa 3 nataon'ny Faritra Analamanga ho an'ny EPP Soavinarivo kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan'Ambohidratrimo.

Noho ny  tsy fahampian'ny efitrano fianarana tao amin'ny EPP dia nisy ny firesahan'ny Talen'ny Sekoly tamin'ny fiadidiana ny Faritra Analamanga amin'ny hanitarana ny sekoly. Nirosoana avy hatrany ny asa ary izao vita izao ireo efitrano vaovao manara-penitra ary vonona ny handray mpianatra sahady amin'ity fidiran'ny mpianatra vaovao ity.

Nandritra ny fitokanana dia nisy ny fanoloran'ny Fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ireo fitaovam-pianarana marobe toy ny dabilio, aronakanjo, kit scolaire, kapa sy ny hafa ihany koa, ho an'ireo mpianatra ao Soavinarivo ka hisaorana ny Filohampirenena sy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena tsy nanadino ireo mpianatra Malagasy.

 

 

 

26/08/21