FANANGANAN-TSAINA.
Niverina androany raha niato nandritra ny volana maro noho ny valan'aretina Covid-19 ny fananganan-tsaina tato amin'ny Biraon'ny Faritra Analamanga tato Ambohidahy.
Noraisina izao fanapahan-kevitra izao noho ny fahatsapana fa efa nihena be ireo trangana olona voan'ny aretina noho ny ezaky ny Fitondrana izay tarihin'ny Filoha Andry Rajoelina .
Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon'ny Governoran'Analamanga no nanambarany fa tokony hezahin'ny olom-boatendry sy mpiasam-panjakana hatrany ny fanatanterahana ny Vinan'ny Filoha ary indrindra ny hanomezana tamberin'andraikitra ho an'ny Firenena sy ny Vahoaka.