Ivokolo etsy Analakely

FITOKANANA NY IVOKOLO ETSY ANALAKELY

Notokanana tamin'ny fomba ofisialy ny zoma 27 aogositra 2021 ny ivon-toerana ho an'ny kolontsaina  IVOKOLO etsy Analakely izay tantanin'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nitarika ny lanonana ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo notronin'ireo olo-manankaja maro ka isan'izany ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka. 

Tamin'ny fandraisam-pitenenana nataon'ny Governoran'Analamanga no nampirisihany ny Minisitra sy ny Minisitera izay tarihiny amin'ny fanandratana ny kolontsaina eto Madagasikara izay tafiditra ihany koa ao anatin'ny Vinan'ny Filoha Andry Rajoelina. Ity trano ity raha ny fantatra, hoy hatrany ny Governora,  dia efa nirodana satria tsy nisy nikitika nandritra ny taona maro ka nankasitrahako ary isaorana ny Minisitera nanarina azy indray ankehitriny ary hamafisiko hatrany fa rehefa eo amin'ny toerana ametrahana anao no fanaovana ny asa ampandraiketina fa tsy sanatria rehefa tsy eo intsony satria sarotra ny hiverina eo rehefa tsy eo intsony.

Etsy amin'ny Arcades Analakely no misy ny IVOKOLO izay nantsoina hoe "Galerie-6" fahiny ary niova CEMDLAC taty aoriana. Taorian'ny fanavaozana lehibe nataon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny dia ireto no hita ao amin'ny IVOKOLO :

- Efitrano lehibe fanaovana lanonana indrindra ny tantara an-tsehatra nomena ny anarana « Théâtre Charles RAVALOSON ».

- “Galerie d’Art RAPARIVO RR”, izay toerana fanaovana varotra fampirantiana ho an’ireo mpanao sary hosodoko, ny mpanao sary sokitra, ny mpaka sary pika. Ity no azo lazaina fa “Galérie d’Art” voalohany tantanan’ny fanjakana.

- Ahitana ny “Librairie d’orientation”

- Any amin’ny rihana ambony kosa dia misy ny «Centre d’incubation culturel» na ivotoeram-pikotrehana orinasa ara-kolontsaina «Tosik’Art».

- Biraon'ireo sampan-draharaha miandraikitra ny kolontsaina eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.

27/08/21