Tonga tetsy Ambohidahy nihaona tamin'ny Governora Hery Rasoamaromaka androany 30 aogositra 2021 ireo mpamokatra horonantsarimihetsika Malagasy taorian'ny antso avo sy fitarainana nataony tamin'ny Filoham-pirenena. Tamin'ity fihaonana ity no nanehoan'izy ireo ny fitarainany mikasika ny asa ratsy ataon'ireo mpanao hosoka amin'ny asa vokarin'izy ireo.
Nambaran'izy ireo àry ny alahelony mikasika ireo tena mpamokatra film hosoka (Gros bonnet) izay efa in-4 voasambotry ny mpitandro ny filaminana ao amin'ny BAP (Brigade Anti-Pirate) eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsina saingy votsotra hatrany ary mbola manohy ny asa ratsiny sady manambotry sy mamono ny asa fiveloman'izy ireo.
Maro amin'ireo mpamokatra film Malagasy no efa maty antoka ka tsy nanohy ny asa intsony ary ireto sisa tavela ihany koa dia efa manomboka ho kivy.
Nolazain'izy ireo fa 30 mn ka hatramin'ny ora 1 aorian'ny hivoahan'ny Film vaovao Original dia efa miparitaka ihany koa ny film pirate ary raha 2000 Ar ka hatramin'ny 3000 Ar ny originale dia 800 Ar no ivarotan'ity mpamokatra film pirate ity.
Taorian'ny dinika dia nanome toky ny Governora fa hitondra ny anjara birikiny mba hamongorana sy hanasaziana mafy ireto olona mpangalatra ireto.