EPP Ambohinambo Talatamaty

EPP Ambohinambo

Notokanana ny zoma 06 septambra 2021 ny EPP Ambohinambo, Kaominina Talatamaty, Distrikan'Ambohidratrimo, ahitana efitrano fianarana manara-penitra 6 izay nataon'ny Faritra Analamanga.
Tonga teny an-toerana nanome voninahitra izao fitokanana izao ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle ary nitondra sy nanolotra Kits scolaires, aron'akanjo, kapa avy amin'ny Filoha Andry RAJOELINA.
Marihina fa ireo efitrano fianarana ireo dia efa nasiana dabilio manara-penitra ihany koa izay avy amin'ny Fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena.
Hatreto ny Faritra Analamanga dia efa nahavita efitrano fianarana 30 izay mitsinjara ho amin'ny EPP, CEG ary LYCEE manerana ny Distrikta maro ato anatin'ny Faritra ary mbola manome toky hatrany fa hanohy ny fanamboarana efitrano fianarana manara-penitra mba holovain'ny taranaka fara-mandimby.

 

 

03/09/21