NANOMBOKA NY FANAMBOARANA NY LALANA ENY AMIN'NY DIGUE.
Natomboka ny Talata 07 septambra 2021 ny asa fanamboarana ny lalana mirefy 11km100 eny amin'ny digue izay haharitra 2 volana.Tonga nanotrona ny Minisitry ny Asa Vaventy Jerry HATREFINDRAZANA teny an-toerana ny Governoran'Analamanga Hery RASOAMAROMAKA satria ato anatin'ny Faritra Analamanga io lalana hamboarina io.
Matotra ary mirindra tsara ny fiaraha-miasa eo amin'ny Faritra Analamanga sy ny Ministeran'ny Asa Vaventy ankehitriny ka antenaina fa hitondra vahaolana misimisy kokoa ho antsika vahoaka ato Analamanga izany fiaraha-miasa izany hoy ny Governora.
Nambaran'ny Minisitra ihany koa amboarina miaraka amin'ity asa ity ny lalana simba mihazo ny Fasan'ny Karana manomboka eo amin'ny Jovena Anosizato.