MPONINA ETY AMIN'NY MANODIDINA IHANY NO HALAINA HIASA ETO. ANALAMANGA PARK
Ho fanomanana ny fisokafan'ny Analamanga Park afaka andro vitsy izay voatery nahemotra volana maro noho ny hamehana ara-pahasalamana dia nisy androany 07 septambra 2021 ny fitadiavana mpiasa (entretien de recrutement) natao tety Analamanga Park izay natrehin'ny Governora.
Araka ny fifanarahana tamin'ny Ben'ny Tanàna ety amin'ny Kaominina Ambalavao misy an'Analamanga Park, mba ho fanomezana asa ny tanora ety dia ny tanora sy mponina ety an-toerana ihany no halaina hanao ny asa toy ny femme de menage, mpanasa lamba, mpikarakara ny terrains, maintenance sy ny sisa.