Tsena Alatsinainy Ambazaha

FITOKANANA NY TSENA MANARA-PENITRA ALATSINAINY AMBAZAHA.

Notokanana androany ny Tsena Manarapenitra izay natolotry ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filoha Andry RAJOELINA ho an'ny Kaominina Alatsinainy Ambazaha, distrikan'Antananarivo Atsimondrano, izay notontosain'ny Faritra Analamanga.

231 taona no napetraky ny Mpanjaka ANDRIANAMPOINIMERINA ny Tsena teto an-toerana ary an-kehitriny noho ny fangatahan'ny Kaominina ka nampitain'ny Solombavambahoaka Andry RATSIVAHINY dia nohavaozin'ny Faritra Analamanga ho manara-penitra izany ankehitriny.

Tsy hijaly ho main'ny masoandro ary tsy hiladina an-tany intsony ireo mpivarotra ary indrindra hilamina ny mpividy satria milamina ny tsena izay ahitana ny zavatra rehetra toy ny vokatry ny tany, hena eny hatramin'ny lamba fitafy.

Notokanana androany ny Tsena Manarapenitra izay natolotry ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filoha Andry RAJOELINA ho an'ny Kaominina Alatsinainy Ambazaha, distrikan'Antananarivo Atsimondrano, izay notontosain'ny Faritra Analamanga.

231 taona no napetraky ny Mpanjaka ANDRIANAMPOINIMERINA ny Tsena teto an-toerana ary an-kehitriny noho ny fangatahan'ny Kaominina ka nampitain'ny Solombavambahoaka Andry RATSIVAHINY dia nohavaozin'ny Faritra Analamanga ho manara-penitra izany ankehitriny.

Tsy hijaly ho main'ny masoandro ary tsy hiladina an-tany intsony ireo mpivarotra ary indrindra hilamina ny mpividy satria milamina ny tsena izay ahitana ny zavatra rehetra toy ny vokatry ny tany, hena eny hatramin'ny lamba fitafy. Mahazaka mpivarotra 168 ity Tsena manara-penitra ity ary tonga eto avokoa ireo mpivarotra sy mpividy avy amin'ny kaominina manodidina.

Nisy koa androany ny fanolorana ordinateur complet ho an'ny Kaominina noho ny fangatahan'ny Ben'ny Tanàna ary vary natao ho masomboly ho an'ny tantsaha. Ankoatra izay dia notoloran'ny faritra Analamanga fanampiana ihany koa ireo mpampianatra FRAM izay misedra fahasahiranana amin'izao fotoana izao ary hojerena manokana ihany koa ny hanatsarana ny Lisea atsy ho atsy.

Hamafisiko hatrany, hoy Andriamatoa Governora, fa ny asa rehetra sahanin'ny Faritra Analamanga dia ireo asa rehetra avy amin'ny hetahetan'ny Kaominina mba ho entina hanantanterahana ny veliranon'ny Filoha.

13/09/21