Baolina kitra Amboaran'ny CAF

Fandresena tamin'ny isa 2-1 no azon'ny solontena Malagasy CFFA (Centre de Formation de Football Andoharanofotsy) avy ao Andoharanofotsy raha nandranto lalao tany Zambie ka nihaonany tamin'ny Kabwe Warriors tao amin'ny kianja Levy Mwanawasa ao Ndola Zambie. Lalao miverina izay tafiditra amin'ny fiadiana ny amboaran'ny CAF.
Nisantatra ny baolina matin'ny Malagasy ny penalty tafiditr'i Bela teo amin'ny minitra faha-7. Nosahalain'ny zambiana teo amin'ny minitra faha-30 ny lalao tamin'ny baolina matin'i Mumba ary io isa 1-1 io no nentin'ny ekipa roa tonta niala sasatra. Tao anatin'ny fidirana faharoa no nampidiran'i Tsito ny baolina faharoa azon'ny Malagasy ka nitondra azy ho amin'ny dingana manaraka. Raha tsiahivina dia nisaraka ady sahala 0-0 ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Kabwe Warriors tamin'ny lalao mandroso natao tetsy amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny 12 septambra 2021. Ny Interclub avy any Angola no miandry ny CFFA amin'ny dingana manaraka. 


Tamin'ity dian'ny CFFA Andoharanofotsy ity dia isan'ireo raiamandreny nanotrona sy nanohana azy ireo ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka, sy ny Solombavambahoaka avy ao Atsimondrano sady filohan'ny Kaomisiona misahana ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao amin'ny Antenimieram-pirenena, Andry Ratsivahiny, ary ny Ben'ny Tanànan'Andoharanofotsy izay filohan'ny Ligin'ny baolina kitra Analamanga rahateo.
Tsy nijanona tamin'ny fanohanana ny ekipa Malagasy fotsiny ihany Governora Hery Rasoamaromaka tamin'ny diany tany Zambie fa nisy ny fihaonany tamin'ireo tomponandraiki-panjakana tao Ndola ny 17 septambra. Nisongadina tamin'izany fa vonona ny roa tonta hiara-hiasa eo amin'ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary mbola hivelatra amin'ny sehatra hafa izany.

Ny sabotsy 18 septambra kosa dia nisy ny fihaonan'ny Governoran'Analamanga tamin'i Nundwe Bllagah Bright izay "Permanent Secretary COPPERBELT PROVINCE" izay toy ny Governora ao Ndola Zambie.
Vontoatin'ny fihaonana ny fitadiavana fiaraha-miasa eo amin'ny andaniny sy ny ankilany izay mifototra hatrany amin'ny fampandrosoana.

Nakotroka ny fitsenana ny delegasiona teny Ivato

Ny talata 21 Septambra 2021 no nigadona teto an-tanindrazana omaly ny delegasiona malagasy rehefa avy niatrika ny lalao miverina tany Zambie.
Tsahivina fa naharesy ny Zambiana tamin'ny isa  2-1 isika tany an-taniny raha nisaraka tsy nisy nitoko teo Mahamasina.
Amin'ny maha Governoran'ny Faritra Analamanga ny tenako, hoy ny Governora dia nitondra ny anjara biriky ho fanohanana ny ekipa solotenan'ny Madagasikara izay nivoaka avy ato Analamanga ny tenako.
Hamafisiko etoana fa tsy hilatsaka ho Filohan'ny Federasionin'ny baolina Kitra Malagasy intsony ny tenako fa manampy ny ekipa izay miezaka toy ny CFFA ary ny taranja ara-panantanjahatena hafa toy ny fanamboarana kianja na fanohana amin'ny lafiny maro mba ho fanatanterahana ny Vinan'ny Filoha eo amin'ny lafiny fanatanjahantena, hoy hatrany ny Governora Hery RASOAMAROMAKA.
Nohamafisin'ny Governora hatrany ny fisaorana ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny fanampiana ity ekipa avy eto Analamanga ity ka nahafahany niatrika ny lalao miverina satria ny Filoha no niantoka ny sarandalan'ny delegasionina sy izay filàna rehetra tany an-toerana.

Ny ekipan'ny InterClub avy any Angola no hifanandrina amin'ny CFFA Andoharanofotsy amin'ny lalao manaraka izay hatao ny 15 na 16 na 17 oktobra ho avy izao eto Madagasikara, izay inoana fa hatao etsy amin'ny Kianja Barea Mahamasina. Ny lalao miverina kosa dia hatao any Angola ny 22 na 23 na 24 oktobra 2021. Vonona ny ekipa hoy ny mpanazatra Titi RASOANAIVO sy ny Raiamandreny Henintsoa RAKOTOARIMALALA (Tôta) sy ny Solombavambahoaka Andry RATSIVAHINY.

Ireto avy ireo ekipa hifandona amin'ny dingana faharoa:

- US Ben Guerdane (Tunisie) – RS Berkane (Maroc)

- AS FAR Rabat (Maroc) – JS Kabylie (Algérie)

- Diambars FC (Sénégal) – Enyimba FC (Nigeria)

- Bayelsa United (Nigeria) – CS Sfaxien (Tunisie)

- ASAC Concorde (Mauritanie) – JS Saoura (Algérie)

- AZAM FC (Tanzanie) – Pyramids FC (Égypte)

- URA FC (Ouganda) – Al Masry (Égypte)

- Al Ahly Merowa (Soudan) – Gor Mahia FC (Kenya)

- Marumo Gallants FC (Afrique du Sud) – AS Vita Club (RD Congo)

- Orapa United (Botswana) – Coton Sport Garoua (Cameroun)

- Diables noirs (Congo-Brazzaville) – Orlando Pirates (Afrique du Sud)

- Red Arrows FC (Zambie) – Primeiro de Agosto (Angola)

- AS Kigali (Rwanda) – DC Motema Pembe (RD Congo)

- Binga FC (Mali) – ASFA Yennenga (Burkina Faso)

- Biashara United Mara (Tanzanie) – Al Ahli Tripoli (Libye)

- CFFA (Madagascar) – GD InterClube (Angola)