Hetsika Iraisam-pirenena ho an'ny Faritra


Tanterahina ao Ampefy ny 30 septambra hatramin'ny 02 oktobra 2021


Ny Faritra Itasy no mandray ny andiany faharoa amin'ny Hetsika Iraisam-pirenena ho an'ny Faritra na ny JIR (Journées Internationales des Régions). Ao Ampefy no anamarihana izany ny 30 septambra, 01 oktobra ary ny 02 oktobra 2021.
Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Praiminisitra Christian NTSAY, notronin'ny Filohan'ny Antenimieran-doholona sy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena sy mpikambana samihafa ao amin'ny Governemanta. Niara-dia sy nanotrona azy tamin’izany ihany koa ny Governoran'Analamanga Hery RASOAMAROMAKA amin'ny maha Filohan'ny Governora eto Madagasikara azy.
Nasongadin'ny Praiminisitra nandritra ny lahateny fanokafana nataony ireo ezaka lehibe ataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny, mba tena hanomezana lanja tokoa ny faritra, hisian’ny fitsinjaram-pahefana tena izy araka ny vina izay nofaritan’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA.