Manoloana ny tsifandriampahalemana mihamahazo vahana dia natsangana ny ZONE DE DÉFENSE ET DE SÉCURITÉ D'IKOPA.
Ny Alatsinainy 04 Oktobra 2021 lasa teo no nanambarana ny fitsanganan'izany rafitra izany tamin'ny fomba ofisialy tetsy amin'ny Carlton Anosy ary nanolorana tamin'ny fomba ofisialy ny Kaomandin’ny Fari-piarovana sy fandriampahalemana (ZDS) IKOPA, ny Jeneraly SAIFOUDINE Nandrasana sy ny Solotena miaramilam-paritra eto Analamanga, ny Kolonely RABEMANANTSOA Michel.
Nambaran'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONIRINA Richard, fa rafitra mifandraika tanteraka amin'ny fivoaran'ny mponina sy ny ambana maro lafy izao rafitra vaovao natsangana izao. Ity rafitra ity dia natao Hiarahana miasa amin'ireo tompon'andraikitra isatsonkajiny amin'ny fitandroana ny filaminana ary hanakaiky kokoa ny eny ifotony hahazoana ireo angombaovao ahafahana misoroka ny asa ratsy sy misambotra ireo jiolahy.
Nambaran'ny Governoran'Analamanga, RASOAMAROMAKA Hery, nandritra ny fandraisany fitenenana ny tsy tokony handeferana amin'ny firaisain'ireo olomboatendry na ny olomboafidy tsikombakomba amin'ireo mpanao ratsy.