OMBIVAVY BE RONONO 165 NAFARANA AVY ANY FRANTSA
Tonga tetsy Ivato ny talata 5 Oktobra 2021 tolakandro ny fiaramanidina Boeing 747-412 an'ny Kompania Air Atlanta Icelandic, nitondra ireo ombivavy be ronono miisa 165 avy any Frantsa izay nafaran’ny fitondram-panjakana mba ho fampiroboroboana ny lalam-pihariana ronono eto Madagasikara. Tsiahivina fa tsy mbola maharaka ny filàn’ny vahoaka ny famokarana ronono eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Araka ity tetikasa napetraky ny Filoha Andry RAJOELINA ity dia antenaina hiakatra 10% ny fihinanan’ny Malagasy iray ronono. Izany hoe raha 5 hatramin’ny 7 kg isan’olona isan-taona dia ho lasa 6 hatramin’ny 8 kg isan’olona isan-taona satria afaka manome ronono 26 litatra isanandro ireto karazany vao tonga ireto, raha toa ka 15 litatra isanandro no vokarin’ireo fahita ao amin’ny FIFAMANOR Antsirabe izay handray an-tanana azy ireto. Tsy maintsy hatoka-monina 40 andro nefa ireto omby vavy vao tonga ireto mba hisorohana ny mety ho fiparitahan'ny areti-mandringana raha misy. Hihatsara ihany koa manomboka izao ny taranaka ombivavy be ronono azo avy amin’ireto omby ireto ary hitombo manaraka izany ny famokarana ronono ho an’ny Malagasy. Tonga nanotrona ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, nandray ireto ombivavy ireto teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Minisitra Lefitra misahana ny Fiompiana, ny Governoran'Analamanga, ny Préfet de Police Antananarivo.