Tamin'ny fomba manetriketrika no nanambaran'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny fijoroan'ny Faritra faha-23 eto Madagasikara dia ny Faritra Vatovavy, ny alakamisy 07 oktobra 2021 tao amin'ny Kianjan'i Mananjary. Distrika telo no mandrafitra ny Faritra Vatovavy dia Mananjary, Nosy-Varika ary Ifanadiana. Raha tsiahivina dia nozaraina roa ny Faritra Vatovavy-Fitovinany teo aloha ka lasa Faritra Vatovavy sy Faritra Fitovinany. Ny distrikan'i Manakara, Vohipeno ary Ikongo no mandrafitra ny Faritra Fitovinany.
Voatendry ho Governoran'ny Faritra Vatovavy ny Dr RANDRIARISON Maurice Lucien. Notendrena ho préfet ao Mananjary kosa ANRIAMIHITSAKISA Timothée Roger ary notendrena ho Governoran'ny Faritra Fitovinany ny Jeneraly RAZAFITSOTRA Lucien Laurel.