Analamanga Park

NISEHOANA FIREHETANA TAO ANALAMANGA PARK.
EFA VOAFEHY NY AFO.

  Ny alatsinainy 11 oktobra 2021 dia nisehoana firehetana tato Analamanga Park. Ny ala sy ny tanety tato anatiny izay tsy lavitra ny Bungalow VIP no may tamin'izany.
"Isaorana an'Andriamanitra fa voafehy ny afo ary tsy nisy may ny foto-drafitrasa. Raha ny fitsirihana voalohany natao tety an-toerana izay tombanana ho niaingan'ny afo dia nisy baoritra may izay mahatonga ny ahiahy tsy ihavanana "sao" nisy nandrehitra", hoy ny fanambaran'ny Governoran'Analamanga raha nijery ifotony ny zava-misy teny antoerana raha vantany vao nahare ny vaovao. Efa tonga teny an-toerana koa ny Zandary manao ny fanadihadiana sy ny fizahana lalina.
Nambaran'Andriamatoa Governora ihany koa fa "Tsy hay na fifandrifian-javatra fa minitra vitsy tao aorian'ny nivoahan'ny Spot sy ny affiche mikasika ny fitokanana ny 16 Oktobra ho avy izao tato amin'ny page no nisian'izao firehetana izao.
Isaorana ny vahoaka sy ny mponina ety amin'ny Kaominina Ambalavao notarihin'ny Ben'ny Tanàna namono ny afo. Teo ihany koa ny Ben'ny Tanana ao Antananarivo Renivohitra sy ny eny Tanjombato Atsimondrano nandefa ny mpamonjy voina (sapeurs-pompiers) namono ny afo ka nahafehezana tanteraka ny afo tety an-toerana.

Tsahivina fa efa nisy ny firehetan'ny tanàna toy izao tamin'ny 2017 ka nahamaizana Bungalows 3 tety an-toerana ka efa nosoloina vaovao ankehitriny.