Analamanga Park, hotokanana amin'ny 2-5 aprily 2021

  Ho fanohizana ny fanomanana ny fitokanana an'Analamanga Park mandritra ny hefarana, ny 2-3-4-5 Aprily 2021 ho avy izao dia nitohy androany ny fanaraha-maso nataon'ny Governora sy ireo mpiara miasa aminy, ireo asa sasany teny an-toerana.
Nanome toky ireo orinasa vitsivitsy manao ny asa fa ho vita alohan'io daty voatondro hanaovana ny fitokanana io ireo asa rehetra eny Analamanga Park.

    Tamin'io fotoana io ihany koa no nitafan'ny Governora Hery Rasoamaromaka tamin'ny mpanao gazety. Nambarany tamin'izany fa mikaroka hatrany ny fomba rehetra hamahana ny olan'ny vahoaka malagasy ny fitondram-panjakana ankehitriny ka amin'ny herinandro ho avy io dia hidina ny vidim-bary ary hanaraka izay ihany koa ny vidin'ireo entana ilaina amin'ny fiainana andavanandro. Efa nisy ny fifampidinihina tamin'ireo mpisehatra rehetra momba ny vary, hoy ihany izy ka tsy misy endrika faneriterena no nataon'ny fanjakana. Isan'ny nambarany ihany koa fa hamboarina avokoa ny lalana eto Antananarivo renivohitra izay nampikaikaika ny be sy ny maro ny faharatsiany izay miteraka fitohanan'ny fifamoivoizana mandrakariva.

 

10/02/21