FIHAONANA TAMIN'IREO BEN'NY TANANA MARO TETO ANALAMANGA.
Araka ny toromarika maika avy amin'ny Filoha Andry RAJOELINA nandritra ny fitokanana teny Analamanga Park dia misy ny tetibola 10 milliards Ar hanaovana fotodrafitrasa izay maika, amin'ireo kaominina samihafa any amin'ny distrika.
Natao androany 20 oktobra 2021 teto Ambohidahy ny fihaonana teo amin'ny Governoran'Analamanga sy ireo Ben'ny tanàna maro.
Nambaran'ny Governora taorian'ny dinika fa maro ireo antotantaratasy voaray amin'ny asa maika, toy ny fanavaozana CsbII, EPP, tsena, lalana, tohodrano sns....izay itovizan'ireo kaominia rehetra.
Haravona ireo tetikasa tao anaty antotantaratasy ireo ka hatolotra ny Filohan'ny Repoblika, izy no tompon'ny teny farany amin'ny hanatanterahana ny asa.
Niara-nidinika sy nanatrika izao fotoana izao ny Depiote voafidy tao Andramasina avy ao amin'ny antoko TIM saingy resy lahatra amin'ny ezaka fampandrosoana entin'ny Filoha RAJOELINA.