FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO.
Toy izao ny fizotry ny asa fanaovana rarivato (pavé) ny lalana eny amin'ny Kaominina Fiombonana, distrikan'Antananarivo Atsimondrano.
Efa mamarana ny asa ankehitriny ny orinasa nahazo ny asa. Marihina fa lalan-tany isan'ny tena nitarainan'ny mponina ity navadika ho rarivato ity satria tena mamotaka tokoa rehefa fahavaratra ka na ny mpandeha an-tongotra aza sahirana amin'izany.