ANALAMANGA PARK 31 OKT. - 01 NOVAMBRA 2021
31 Oktobra 2021: Kermesy Goavana
Vory maro tety Analamanga Park ny olona ny Alahady 31 Oktobra namonjy ilay Kermesy Goavana nokarakarain' Analamanga Park. Ity no fety goavana voalohany noraisin'ity toerana ity taorian'ny fitokanana ofisialy natao ny 16 sy 17 Oktobra 2021.
Kilalao maro toy ny toraka kapoaka, jono tavoahangy, loto sns no teny an-toerana tao amin'ireo trano heva maro ary fanomezana maro no nozaraina tamin'izany.
Afa-po ireo maro tonga teny Analamanga Park izay samy variana tamin'ny hakanton'ny toerana sy ny kilalao maro samihafa hita eny an-toerana. Tsy mifidy sarangan'olona na taona fa samy nahazo izay tandrify azy manomboka amin'ny zaza madinika ka hatramin'ireo raiamandreny efa nahazoazo taona. Na ny mandeha irery na ny fianakaviana manao andiany na ny mpifankatia mandeha tsiroaroa dia samy naneho ny fahafaham-pony avokoa.
01 Novambra 2021: Fampisehoana niarahana tamin'ny mpanakanto fanta-daza
Tohin'ny Kermesy Goavana teny an-toerana dia nisy ny fampisehoana notanterahin'ny tarika Elidiot, Dah'mama ary Wada & Youngs.
Vory lanona ny vahoaka teny an-toerana ary niara nitotorebika ny rehetra. Niara-nifety sy niala voly teny an-toerana ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ary ny Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin'ny Boriboritany Voalohany Antananarivo Renivohitra.
Misaotra antsika rehetra tonga teny an-toerana ary manome fotoana antsika indray amin'ny 28 Novambra 2021 ho avy izao ety Analamanga Park hatrany.