Lalana Ambodifasina-Antsofinondry

AZO ALEHA MANOMBOKA IZAO NY LALANA AMBODIFASINA – ANTSOFINONDRY.

Azo haleha manomboka androany 05 Novambra 2021 ny lalana mampifandray an’Ambodifasina sy Antsofinondry ka nanokatra izany teny an-toerana ny Minisitry ny Asa Vaventy, HATREFINDRAZANA Jerry, niaraka tamin’ny Governoran'Analamanga, Hery RASOAMAROMAKA sy ny mpiara-miasa aminy avy.
Lalana mirefy 5,2 kilometatra no natao rarivato izay miatomboka eo anelanelan’ny sampanan-dalana Tsarasaotra – Ivato sy Ambodifasina ka miafara any Antsofinondry izay misy lalana natokana ho an’ny mpandeha tongotra.
Mba hiarovana sy hampaharitra izao foto-drafitrasa izao dia noferana tsy hihoatra ny 2,50 metatra ny haavon’ny fiara ary latsaky ny 3,5 T ny vesatry ny fiara mivezivezy eny an-toerana.
Isaorana ny Filoha Andry RAJOELINA satria maro no mahazo tombony sy hisitraka ity lalana ity noho izy mampifandray mivantana ny lalam-pirenena fahatelo RN3 sy ny Renivohitra ary manamaivana ihany koa ny fitohanan’ny fiara lavareny eny Sabotsy-Namehana mihazo an’Andranobevava.