VITA NY RECEPTION DEFINITIVE
Feno dia feno ny fandaharampotoana androany 05 Novambra 2021 satria notanterahina ny fandraisana tanteraka (réception définitive) ny làlana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato.
Nidina teny an-toerana niaraka tamin'ny Minisitry ny Asa Vaventy, HATREFINDRAZANA Jerry ny Governoran'Analamanga, Hery RASOAMAROMAKA sy ireo mpiara-miasa aminy avy, nanatanteraka ny fandraisana izany asa fanamboaran-dalana izany.
Lalana mirefy 10,92 kilometatra no natao tara izay novatsian'ny Fanjakana Malagasy vola tamin'ny alalan’ny Ressources Propres Internes na RPI, sy ny Banky Sinoa « Exim Bank » izay namatsy vola.
Mbola nisy moa ireo asa fanatsarana sy fanitarana, toy ny lalana natokana ho an’ny mpandeha tongotra sy ny bisikileta alohan'izao fandraisana tanteraka ny asa izao.
Rehefa vita ny fandraisana ny asa dia nisy ny lanonana fifanaovan-tsonia ny « PV de réception définitive » tao amin’ny Asia and Africa Hotel Mandrosoa Ivato izay natrehin’ny masoivohon’i Chine miasa eto Madagasikara Ramatoa GUO Xiaomei sy ireo mpanolo-tsaina azy, ankilany, ary tarihin’ny Minisitry ny Asa Vaventy sy ny Governoran’ny Faritra Analamanga, andaniny.