FIVORIAN'NY GOVERNORA REHETRA SY NY BEN'NY TANANA
Tanterahina androany 08 Novambra 2021 sy rahampitso 09 Novambra 2021 ao amin'ny Espace ROJO Antsirabe ny fivorian'ireo Governora rehetra eto Madagasikara sy ny Ben'ny Tanàna. Nanokatra izany tany an-toerana ny Praiminisitra NTSAY Christian.
Lohahevitra amin'izao fivoriana izao ny Fahaleovantena sy fandraisana andraikitry ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ka tafiditra ao anaty lahadinika ny :
- Fanazavana ny manodidina ny tetik'asa ho azon'ny CTD rehetra,
- Fiarovana sy filaminam-bahoaka,
- Fifandraisana amin'ny Minisitera hafa mahakasika ny asa eo anivon'ny CTD.
FITSINJARAMPAHEFANA TENA IZY :
Tamin'ny fandraisana fitenenana nataon'ny Governoran'Analamanga, Hery RASOAMAROMAKA no nanambarany ny tena tokony hampiharana ny :
- Fitsinjaram-pahefena tena izy izay ity Fitondrana ity no efa manomboka azy sy mampihatra azy.
- Fahaleovan-tena ara-bola mba hanantanterahana ireo Vina sy veliranon'ny Filoha.
- Fanamorana ny fomba famoaham-bola ao amin'ny tahirimbolam-panjakana amin'ny fomba ara-dalàna fa tsy gaborararaka. Marihina fa io resaka vesatra amin'ny fitantanan-draharam-panjakana na lourdeur administrative io no tena sakana sy vatomisakana amin'ny fampandrosoana teto amintsika. Ny Faritra sy ny Kaominina anefa mila manenjika ny hafainganam-pandehan'ny Filoha satria ny Fampandrosoana dia miainga eny ifotony.
Momba ny vola fanampiana 2 miliara Ariary avy amin'ny Fanjakana dia nomarihin'ny Governoran'Analamanga hatrany fa lalana pavé no ampiasana azy ary tsy azo ampiasaina amin'ny zavatra hafa.
Afa-po ny rehetra :
Nifarana ny tolakandron'ny Talata 09 Novambra 2021 ny fivoriana notaterahin'ny Governora 23 sy ny ben'ny tanana ary ireo olomboatendry maro momba ny fitsinjaram-pahefana tena izy.
Tonga namarana izany tao Antsirabe ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Fitaterana, ny Talen'ny Raharaha Sosialy sy Politika eo anivon'ny Fiadidina ny Repoblika ary ny iraky ny Filohampirenena.
Navitrika ary nazoto sy tena nandray anjara tokoa ireo mpivory nandritra izay 2 andro nanatanterahana ity Fivoriana ity.