Tsenabe Voatra andiany faha-8

TSENABE VOATRA ANDIANY FAHA-8

Tanterahana mandritra ny hefarana etsy amin'ny Kianja MALACAM Antanimena ny Tsenabe VOATRA "salon de la créativité" andiany faha-8, karakarain'ny Tranoben'ny Varotra sy ny Indostria Antananarivo (CCIA). Tonga nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy androany 24 Novambra 2021 ny Governoran'ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka. Asongadina mandritra ity hetsika ity ireo orinasa madinika sy salantsalany izay mampivoatra ny « VITA MALAGASY ». Nambaran'ny Governoran'Analamanga nandritra ny lahateny nataony ny hanampiana ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga mba ahafahan'izy ireo manodinana ireo akora fototra hahafahana mamokatra ary indrindra ny fanampiana ireo tantsaha ahafahan'izy ireo mamoaka ny vokatra sy ny akora avy any ambanivohitra lavitra amin'ny fanamboarana ireo lalana. Nentaniny ihany koa ny rehetra mba ho tonga hitsidika sy hanjifa ny vokatra ampirantiana sy amidy mandritra ny 4 andro etsy amin'ny Kianja Malacam Antanimena, izay tsy hifarana raha tsy ny 27 Novambra 2021..