TETIKASA ASA AVOTRA MIRINDRA
Notanterahina tao amin'ny Le Pavé Antaninarenina ny Alatsinainy 13 Desambra 2021 ny fanombohan'ny tetik'asa Asa Avotra Mirindra ato amin'ny Faritra Analamanga. Nanokatra izany tamin'ny fomba ofidialy ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka.
Ny Asa Avotra Mirindra moa dia Haratonaina ho fanampiana ny mpiara-belona izay tetikasam-panjakana vatsian'ny Banky Iraisampirenena vola ka ny FID no miandraikitra izany.
Distrika 3 ato Analamanga no hisitraka ity tetikasa ity dia Ankazobe, Anjozorobe ary Manjakandriana.