Hopitaly CHUJRA

FAITOKANANA NY FANITARANA NY URGENCE ETSY AMIN'NY CHUJRA 

Ho fanohizan'ny Filoha Andry RAJOELINA ny fanatanterahana ny Velirano faha-5 dia ny fahasalamana ho an'ny rehetra tsy mifidy sokajin-taona dia notokanan'ny Filoha androany 14 Desambra 2021 ireo fotodrafitrasa roa sosona ho an'ny fahasalamana tetsy amin'ny CHUJRA.
Teo ny fanitarana ny sampana vonjy aina ao amin'ny CHUJRA sy ny "Salle de rééducation" eo anivon'ny Centre d'appareillage ao Befelatanana.
Hitombo avo roa heny ny toerana handraisana ny marary ao amin'ny sampana vonjy aina eto amin'ny hopitaly CHUJRA Ampefiloha. Nampiana sy nohatsaraina ihany koa ny fitaovana handraisana ireo marary, ary notolorana extracteurs d’oxygène sy moniteurs de surveillance ity sampan-draharaha ity. 
Isaorana ny Filoha miasa sy mikatsaka hatrany ny hanatsarana ny lafiny fitsaboana eto Madagasikara.
Mikasika ny valan’aretina COVID-19 dia nanambara ny Filoha Andry RAJOELINA fa hodinihina mandritra ny filankevitry ny ministra hatao ny Alarobia 15 Desambra 2021 ny fepetra horaisina sy ny fanapahan-kevitra mety indrindra manoloana ny fivoaran’ny valanaretina covid-19 eto amin’ny tany sy ny fanjakana ankehitriny.
   

 
https://visitorshitcounter.com/