FAMAHANA NY OLAN'NY ZAZA TSY MANANA KOPIA
Notontosaina androany, 15 Desambra 2021, tany Talata Volinindry, distrikan'Antananarivo Avaradrano ny fanombohan'ilay tetikasa fanomezana sora-piankohonana (kopiam-pahaterahana) ho an'ny zaza miisa 17.742 ato amin'ny Faritra Analamanga izay tsy manana izany. 300 amin'ireo no.ato amin'ny KaomininaTalata Volonondry.
Kominina 27 no hisitraka izany ato amin'ny Faritra Analamanga.
Fiaraha-miasa sy famatsiam-bola mitentina 187.944.000 Ar avy amin'ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) izy ity.
Tonga tany an-toerana nanamarika ny fanombohana izany tetikasa izany Andriamatoa Léonard Émile Ognimba izay Masoivohon'ny OIF eto amintsika.
Famahana olanan'ny vahoaka izy ity satria ny tsy fananana kopia dia miteraka sakana lehibe ho an'ny olom-pirenena, manomboka amin'ny fahazazany ka tsy ahafahany mianatra ary mitohy any amin'ny fahalehibeazany ka tsy ahafahany miasa sy misitraka ny zo maha olom-pirenena azy toy ny fifidianana.
Nambaran'ny Governoran'Analamanga nandritra ny fandraisany fitenenana fa mbola fanombohana ity fiaraha-miasa ity ka hanao ny tena mangarahara ny Faritra Analamanga amin'ny fitantanana izany vola izany.