CEG Andranovelona Ilafy

FITOKANA EFITRANO FIANARANA VAOVAO AO AMIN'NY CEG ANDRANOVELONA ILAFY

Notanterahina ny 16 Desambra 2021 ny fitokanana ny efitrano fianarana vaovao miisa 3 ho an'ny CEG ao amin'ny Fokontany Andranovelona, kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan'Antananarivo Avaradrano.
Asa iandraiketan'ny Faritra Analamanga avy amin'ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA ny fananganana fotodrafitrasa manara-penitra ho an'ny zaza malagasy toy izao ka isaorana azy hatrany, hoy ny Governoran'ny Faritra Analamanga raha nitokana izany tany an-toerana. Ny Faritra Anlamanga ihany koa no nameno ny dabilio fianarana ao anatin'ireo efitrano fianarana vaovao ireo.
   

FANARENANA NY SIMBA

Araka io toromariky ny Filoha io hatrany dia tsy mpanangana fotsiny ihany isika fa mpanarina ireo efa simba sy tranainy ihany koa. Ka noho ny fangatahan'ny Talen'ny sekoly sy ny Ben'ny tanàna ao an-toerana dia horaisin'ny Faritra Analamanga an-tanana ny fanamboarana sy fanarenana ireo efitrano fianarana maro ato anatin'ity CEG Andranovelona ity izay efa ratsy sy simba tanteraka.
Tsy mety raha mifangarika ka ny hafa manarapenitra nefa ny hafa efa potika toy ny hita amin'ny sary.