ANDRO FISAONAM-PIRENENA

23 DESAMBRA 2021 : ANDRO FISAONAM-PIRENENA

Didim-panjakana laharana faha 2021-1462 manambara fa ny alakamisy 23 desambra 2021 dia andro fisaonam-pirenena eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara 
ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy nandeha tamin’ilay sambo « Francia » rendrika tao Soanierana Ivongo.
Ny fanapahan-kevitra hanaovana fisaonam-pirenena dia raisina aorian’ny tranga na loza mihatra amin’ny Firenena na amin’ny mpiray Tanindrazana. 

           Ny Filoham-pirenena no mandray ny didim-panjakana mikasika izany ary mamaritra ny fetran’izany. 
Mandritry ny fisaonam-pirenena dia misaona ny sainam-pirenena ka tsy akarina hatramin’ny farany manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Entanina ny rehetra mba hanokana fotoana ahatsiarovana ireo niharam-boina ary haneho firaisankina sy fiombonam-po amin’ny fianakavian’ireo tra-pahoriana.