Govenoram-paritra eto Madagasikara

FIHAONAN'NY FILOHA RAJOELINA SY IREO GOVERNORAM-PARITRA

Fotoana izao hanatsarana ny fomba fiasa sy hanitsiana izay lesoka tsy nety rehetra mba ahafahana manatanteraka an'ireo vina sy velirano natao tamin’ny vahoaka hoy ny Filoha Andry RAJOELINA, raha nandray ireo Governoran'ny Faritra tonga niarahaba azy noho ny tonon-taona vaovao, tetsy amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny Talata 11 Janoary 2022. 
Ianareo no solontenan'ny Fitondram-panjakana mitondra ny fampandrosoana any amin'ireo Faritra sy Distrika mandrafitra ny Faritra tsirairay, ary vokatra na "résultats" no andrasan'ny vahoaka amin'ny mpitondra isan'ambaratongam-pahefana, hoy hatrany ny Filoha. 
Tetsy andaniny kosa, dia nanambara ireto Governora fa maro ny asa mbola hotanterahina, na dia maro koa aza no efa vita, ka naneho ny fahavononany hatrany izy ireo hanaraka ny dingan-dava ataon'ny Filohampirenena eo amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara.

 

FIHAONANA SY DINIKA TEO AMIN'IREO GOVERNORAM-PARITRA

Ny marainan'ny Talata 11 Jaoary 2022 dia nisy ny fihaonana sy dinika nifanaovana tamin'ireo Governora maro eto Madagasikara.
Natao ity dinika ity alohan'ny fihaonana sy hitondrana ny firariantsoa ho an'ny Filohampirenena ary eo koa ny fihaonana amin'ny Minisitra mpiahy.
Misy ireo Governora mbola teny an-dalana hihazo ny Renivohitra noho ny halaviran-tany.