Govenoram-paritra eto Madagasikara

FIHAONAN'IREO GOVERNORAM-PARITRA  SY NY FILOHAN'NY ANTENIMIERAMPIRENENA

Ny Alarobia 12 Janoary 2022 dia tonga teny Tsimbazaza ireo Governora eto Madagasikara nitondra ny teny firarian-tsoa ho an'ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Ramatoa Razanamahasoa Christine, noho ny tonon-taona vaovao 2022.
Nitso-drano ireo Governoran’ny Faritra amin’ny adidy sy andraikitra sahanin’izy ireo ny Filohan’ny Antenimierampirenena nandritra izany ary nambarany fa nomena fitokisana izy ireo hanatanteraka ny programa sy ny velirano nataon'ny Filohan'ny Repoblika koa manantena ny tenany fa hitohy sy hihatsara hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Solombavambahoaka sy ny Governora.
Nitondra ny tenin'ireo Governora manerana an'i Madagasikara ny Governoran'Analamanga, Andriamatoa Hery Rasoamaromaka, amin'ny maha Filohan'ny Fikambanan'ny Governora azy ka tamin'izany no nilazany fa manome toky izy ireo fa hihatsara ary hihamafy ny fiaraha-miasa, toy ny efa natao teto Analamanga dia ny hetahetan'ny Solombavambahoaka no tanterahina amin'ny asa fampandrosoana satria izy ireo no midina matetika eny ifotony.

 

FIHAONAN'IREO GOVERNORAM-PARITRA  SY NY FILOHAN'NY ANTENIMIERAN-DOHOLONA

Tonga niarahaba ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Andriamatoa Herimanana RAZAFIMAHEFA, tao amin’ny Lapan’Anosikely noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2022 ireo Governora. Nitarika azy ireo ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka, amin'ny maha Filohan'ny fikambanan'ny Governora ny tenany, tamin'ny fitondra ny teny firariantsoa .
Nanentana ireo Governora ny Filohan’ny Antenimierandoholona amin’ny tokony hitohizan’ny fiaraha-miasa, satria ity taona ity dia taonan‘ny asa hoy izy.
Sarotsarotra iny taona lasa iny noho ny firongatry ny valan’aretina izay nandavo olona maro maneran-tany. Niasa andro aman’alina nefa ireo Governora ary izany indrindra no anisan’ny mampilamina ny tany, mampandeha ny asa goavana izay tena miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka.
Mahakasika ny fanamboaran-dàlana manokana ohatra dia hita fa mihazakazaka ny fanamboarana-dàlana mampitohy ny Kaominina izay manamora ny fivezivezen’ny vokatra. Afaka fotoana fohy dia ho maro ny làlana vita manerana an’i Madagasikara, hoy hatrany izy. 
Nisy moa ny fanolorana fanomezana ho an’ny Filohan’ity Andrimpanjakana ity ho fanamarihana izao fahatrarana ny taona vaovao 2022 izao.