Kaly Tsinjo

Androany no nosokafan'ny Filoha Andry RAJOELINA tetsy amin'ny Fokontany Ankorondrano Andrefana ny Tsena Mora amin'ny endriny vaovao satria nahena 1200 Ar ny kilaon'ny vary ary 4000 Ar ny litatra amin'ny menaka.
Toerana 13 no nanombohana izany androany  ary hitarina amin'ny toerana 60 hafa izany manomboka rahampitso ary irariana hakarina 100 ny toerana hivarotana, hoy ny Filoha.
Natomboka androany ihany koa ny KALY TSINJO izay ivarotanana sakafo "plat" iray amin'ny vidiny 100 Ar.
Nambaran'ny Filoha fa hanadiovana ny toerana sy hanasana ireo vilia ilay 100 Ar fa tsy ho vidin'ny sakafo akory.
Ireo efa nilahatra TSENA MORA sy KALY TSINJO androany dia nataon'ny Filoha maimaipoana avoko.

12/02/21