Niarahaba ny Governora noho ny taombaovao ireo mpiara-miasa

Noho ny tonon-taona vaovao dia tonga nitsidika sy niarahaba ny Governoran'Analamanga ireo mpiaramiasa ato amin'ny Faritra Analamanga sy ireo vondron'olona ary fikambanana samihafa, nahitana ny avy ao amin'ny CIM, ireo mpanao gazety mpiaramiasa amin'ny Faritra Analamanga, ny Ben'ny Tanàna ao amin'ny distrikan'Antananarivo Atsimondrano notarihin'ny solombavambahoaka Andry RATSIVAHINY, ny Ben'ny Tanàna ao amin'ny distrikan'Andramasina izay notarihan'ny solombavambahoaka Bina, ny fikambanana Tambatra, ary Filankevitra Monisipaly avy eto Antananarivo Renivohitra notarihan'ny Filohany.
Hirariana mba hitondra soa sy fanambinana ary indrindra fahasalamana hatrany ho antsika ity taona vaovao ity.